Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-2

22 Andosiro ny filàn'ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin'izay miantso ny anaran'ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny. 24 Fa tsy mety amin'ny mpanompon'Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen'Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy, 26 ka hody ny sainy, ary ho afaka amin'ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitra-pony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334